<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Havaozy, Tompo o, FFPM738</title>
<lyrics>[V1]
 Havaozy, Tompo ô,
 Ny endriky ny tany,
 Ny voninahitrao hatao
 Fahazavany,
 Izao aizim-pito izao
 Levoninao tokoa
 Izao ratsy be izao
 // esory avokoa //

[V2]
 Havaozy Tompo ô,
 Ny endriky ny tany,
 Reseo ny rafinao,
 Ravao ny fanjakany,
 Ampanjakao tokoa
 Jesosy Zanakao,
 Izao rehetra izao
 // hanao ny sitrakao //

[V3]
 Havaozy, Tompo ô,
 Ny endriky ny tany,
 Koa averenonao indray
 Ny hatsaràny ;
 Fanahy Mpanavao,
 Ny famelomanao
 Tadiavinao izao
 // vitao ny asanao //

[V4]
 Havaozy, Tompo ô,
 Ny endriky ny tany,
 Ny olonao izao maniry
 Indrindra izany.
 Henoy ny sentonay
 Miakatra aminao,
 Ka hafainganonao
 // ny fanavaozanao //</lyrics>
<hymn_number>738</hymn_number>
</song>